- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe II - « Carrière » vaky : Nomena 7 andro ireo...

Antsirabe II – « Carrière » vaky : Nomena 7 andro ireo milaza fa manana « permis minier »

Efa ho folo andro mahery  teo izay no nahavaky ny karierana-vatosoa tao amin’ny kaomina Mangarano Atsirabe II. Ao amin’ny fokontany Anivosaha no misy ity toerana ity, ankehitriny efa tsy tambo isaina intsony ireo olona tonga mitrandraka vatosoa ao amin’ity faritra ity. Tsy azo afenina ny zava-nitranga tao Ilakaka sy ireo toerana ahitana vatosoa sarobidy, fa dia saika ahitana tsy fanarahan-dalàna mazàna. Ankoatra izay ny fahapotehan’ny tanàna ateraky ny fanimbana ny nofon’ny tany sy ireo tsy kely làlana amin’ny fanaovana afera maizina. Tsy ara-dalàna rahateo raha ny fantatra ity fitrandrahana ity, ka niditra an-tsehatra ny OMC Régional sy ny Distrika. Nisy ny fidinan’ny tomponanandraiki-panjakana maro tany an-toerana notarihan’ny Lehiben’ny faritra, nahitana ny Emmo Reg sy ny OMC  « Organisation Mixte de Conception » ary ny Lehiben’ny Distrika Antsirabe II, nijery ifotony ny zava-misy. Tapaka taorian’ny fitsidihana fa hialana amin’ny gaboraraka sy ny hisian’ny fanaraha- maso akaiky ireo olona mety hanao heloka dia napetraka vonjimaika any an-toerana  ny tobina-zandarimaria iray. Tsy azo atao  ny mampiasa zaza tsy ampy taona amin’io « carrier” tsy ara-dalàna io. Anisan’ny fepetra napetraka ny fanafoanana ireo tsena tsy manara-dalàna toy ny trano filokana sy trano fandraisambahiny ary ny fanajana ny tontolo iainana, ka voasazy izay tratra manao maloto an-kalamanjana. Ireo lavaka efa nitrandrahana vato dia tokony hototofana avokoa. Nanome fepotoana fito andro ny fanjakana ho an’ireo olona  milaza fa manana « permis minier » hanatona ny manampahefana fa aorian’io fotoana io dia hisy ny fepetra horaisina.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser