- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Dahalo saika hanafika, saron’ny mpitandro filaminana

Antsirabe II : Dahalo saika hanafika, saron’ny mpitandro filaminana

Nikasa hanao fanafihana tao amin’ny kaominina Sahanivotry ireto dahalo ireto, no izao tra-tehaky ny mpitandro filaminana izao.Efa nivonona tamin’ny fitaovana rehetra ho enti-manafika ireto dahalo ireto no izao tra-tehaka izao. Nisy tamin’izy ireo no nitondra lefona sy zava-maranitra, tao ny nahitana ireny fanafody gasy ireny toy ny moara sy ny fangarony. Izany hoe sokajiana ho tena dahalo rain-dahiny mihitsy ireto voasambotra ireto. Teo am-panaovana ny asa fanaony amin’ny fisavana ireo fiara mandalo ny mpitandro filaminana ny Sabotsy alina  teo, no nahatsikaritra andian’olona hafahafa sy toa mailomailo izany raha niala tamina taxi-be iray. Nanohy ny diany mora ireo andian’olona ireo no niherikerika ka vao mainka nanamafy ny fiahian’ny mpitandro filaminana  eo Mandaniresaka,  fa mety ho olon-dratsy. Niroso tamin’ny fisavana avy hatrany ny mpitandro filaminana, tsy nisy afa nihetsika fa dia noraisim-potsiny ny dimy lahy rehefa tratra tao amin’ny  entany ny lefona sy fitaovam-piadiana maro niaraka tamina ody gasy maro be. Taoarian’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no nahafantarana, fa olona vao avy namita sazy tany am-ponja ny iray tamin’izy ireto izay antsoina hoe Mananaja, nefa dia izao vosambotra izao indray. Mazava ho azy fa dia hiverina any am-ponja indray ranamana hamita ny saziny manaraka.

Natolotra ny fitsarana omaly ihany izy dimy lahy ireto ary nidoboka any am-ponja avy hatrany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici