- Publicité -
mardi, août 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSIRABE II :  Kaominina roa nametahana birao solotenan’ny fananantany iraisana

ANTSIRABE II :  Kaominina roa nametahana birao solotenan’ny fananantany iraisana

Isan’ny raharahara mampitiaraina sy mampatahora ny olona ity resaka fananan-tany ity indrindra fa ireo olona any amin’ny tontolo ambanivohitra. Maro mantsy ireo mpisoloky no efa miparitaka manodikodina tanin’olona mana-tompo ary ny tena loza  dia  lasan’izy ireny ny tanin’ny tantsaha noho ny tsy fahalalana, ankoatraizay  ny ady lova ka miteraka fifamonoana amin’ny samy mpihavana mihitsy.

Hamahany ny ampahan’ny olona mateti-pitranga ny fametrahana ny birao solotenenan’ny  fananantany iraisana na BSFI « Bureau de la subdivision Foncière Intermédiaire » indrindra ireo distrika lavitry ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany.

Birao miisa 60 no voalaza fa apetraky ny fitondrana manerana ny Nosy, isan’ny nisitraka izany ny distrika Antsirabe II ka  ao Andranomanelatra no  nametrahana ny BSFI ho an’ieo kaominina 13 avy any avaratra raha toa ka ao Vinaninkarena kosa ho an’ireo kaominina 7 av any atsimo.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ireo birao ireo faran’ny herinandro lasa teo ary efa tonga dia niasa taorian’izay, efa voatendry rahateo ireo mpiasa hiandraikitra azy araky ny fanazavana.

Marihina fa rafitra vaovao napetraky ny eo anivon’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny BSFI mikirakira ny karazan-taratasy momban’ny tany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici