- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Kaominina roa nametrahana « poste avancé »

Antsirabe II : Kaominina roa nametrahana « poste avancé »

Tsy mbola mifanaraka amin’ny isan’ny mponina sy ny halebeazan’ny distrika  ny fotodrafitrasa misy ao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa indrindra any amin’ireo kaominina sasantsasany. Isan’ny tena mapitaraina ny mponina ny lafiny tsy fandriampahaleana, midadasika rahateo ny distrika Antsirabe II raha ny velaran-tany no jerena.

Antony nametrahana ny zana tobim-paritry ny zandarimaria na « poste avancé » izany mba hifaraka amin’ny filan’ny mponina. Kaominina roa no nisitraka azy ity dia ny kaominina ambanivohitra Soanindrariny sy ny kaominina Ambatomena. Marihina fa lavitry ny renivohitry distrika no misy ireto kaominina roa ireto ary isan’ny tena ratsy lalana tokoa raha eto Antsirabe faraharoa.

Notakanana tamin’ny fomba ofisialy  ny Alarobia 12 jona teo ny fotodrafitrasa, nitarika ny lanonana ny Jeneraly lefitra faharoan’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, notrono’ireo tomponadraiki-panjakana teto an-toerana sy manampahefana miaramila sy sivily.

Antenaina fa hamaha ny olana sy hampihena ny tsy fandria-pahalemana ny fisian’ireto zana tobim-paritra roa ireto, isan’ny anjakan’ny tonta kely ny azan-jiolahy mantsy ireto kaominina roa antsinanan’Antsirabe ireto.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici