- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE II : Mirongatra indray ny halatra lakolosim-piangonana

ANTSIRABE II : Mirongatra indray ny halatra lakolosim-piangonana

Raha ny resaka halatra taolam-paty no nampikaikaika ny vahoakan’i Vakinankaratra roa taona  teo izay dia ny halatra lakolosim-piangonana indray izao no malaza. Ny fiangonana FLM Andasibe, fileovana Atsimotsena ao anatin’ny Distrikan’Antsirabe II indray moa no lasibatra tamin’ity indray mitoraka ity. Omaly alahady, raha iny andeha hampaneno lakolosy fidirana amin’ny lamesa maraina iny ny mpiandraikitra izany, dia gaga raha nahatsikaritra fa efa tsy teo intsony ny lakolosy.  Samy tsy nisy nahalala izay zava-niseho talohan’izao tranga izao moa ireo mpiangona fa ny lakolosy tsy naneno tamin’ny ora tokony nanenony no nahatalanjona ny maro. Tsapa amin’izany fa tsy mifidy andro hangalarana sy toerana hanaovan-dratsy ny mpangalatra amin’izao fotoana izao. Ny fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny maro dia ny hoe “hanaovana inona ?” indray izany.  Tsy vitsy moa ireo nanamarika fa ireo mpanao aferana vy no tena mitady azy itony. Misy aza ireo mahasahy mividy lafo tokoa, hatramin’ny 1400000Ar. Tsy ao Antsirabe ihany no hitrangana fangalarana lakolosy toy izao fa saika manerana ny Nosy mihintsy. Heverina ho vahaolana azo haroso ny fanoloana ireny lakolosim-piangonana ireny ho lakolosy “elektronika” saingy miankina amin’ny hoenti-manan’ny fiangonana tsirairay avy koa moa izany. Ankilan’izany, mitebiteby sahady ny mponina manakaiky ireo sarona lakan-drano vaovao izay vao napetraka vao haingana: bizina vaovao ho an’ny mpangalatra.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici