- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Olona dimy voasambotra, tafaverina ny omby

Antsirabe II : Olona dimy voasambotra, tafaverina ny omby

Nisy omby very tao amin’ny kaominina Mangarano ny faha-19 desambra 2018. Raha mbola variana  nanisa vato ny fokonolona tamin’ny  fifidianana  no nisy nanao joko ny omby tao am-bala. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona ka nizotra nankany Alakamisy marososona ny dian’omby saingy tsy hita izay niafarany ary niveri-maina ny mpanara-dia. Taty aorina naharay vaovao ny tompon’omby fa misy olona mitazona ireo ombiny very ireo ary asainy mandoa vola 650 000 ariary ny tompon’omby raha te hahazo ny omby satria nanambara ireo olona mitana ny omby ireo fa izay no nividianany azy. Raikitra tokoa ny varotra ary nifanome fotoana ny roa tonta hividinana ny omby indray. Noheverin’ireo olon-dratsy fa efa nitondra vola ny tompon’omby tamin’io ka nokasainy hovonoina mihitsy saingy tafatsoaka  ireto farany. Ny sabotsy lasa teo, hitan’ny fianakaviana tompon’omby tao amin’ny tsenan’omby ny ombiny . Natao ny velam-pandrika, nanirahana olona hividy ny omby mba hahazoana ny taratasy rehetra ary nandray tamin’izany velam-pandrika sy famandrihana izany ny zandary. Raikitra ny varotra ary akory ny hataraina fa efa manana taratatsy ara dalàna ny omby ary misy hatramin’ny FIB mihitsy. Izany hoe misy tambazotra manao famotsiana omby mihitsy. Voasambotra ny olona iray,ilay nikasa hamono sy handroba ny tompon’omby, ankoatra azy dia olona efatra koa no efa voasambotry ny zandary ka ny telo amin’ireo dia efa malaza ratsy amin’ny resaka fanafiahana ao Alakamisy marososona ao saingy tsy mbola nisy porofo hanenjehana azy. Efa naverina tamin’ny tompony noho izany ny omby roa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici