- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Ramatoa iray lasan’ny rano

Antsirabe II : Ramatoa iray lasan’ny rano

Tsy maintsy mandalo sy miampita  renirano iray vao tonga ao amin’ny tanàna, ny mponina ao Soamonina kaominina Ambohidranandriana Distrika Antsirabe II. Tsy nahasakana ity renim-pianakaviana iray, ny fiakatry ny rano noho ny rotsak’orana be loatra. Ny andro rahateo efa miha maizina ka nikiry ihany ilay ramatoa hiampita ny renirano . Voalaza fa, nisy olona hafa  niaraka taminy fa izy no nitari-dàlana. Nahery vaika anefa ny renirano no sady namotaka ary tojo ireny ranon-trambo ireny ilay ramatoa ka zakan’ny rano. Niezaka nanavotra azy ihany iretsy namany, saingy tsy nisy azo natao intsony. Nanomboka teo, dia nikaroka azy ny fokonolona ka tany Ambimandroso Ambohidranandriana vao hita ny razana. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao, dia avy niantsena teto Antsirabe io renim-pianakaviana io, no izao tra-doza izao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici