Nihevitra ireo olon-dratsy fa misy vola be tao amin’ity tokontrano iray notafihan’izy ireo. Tsy nisy afa-tsy 3 hetsy anefa tao amin’ity tokantrano ity ka io no lasan’ireo jiolahy. Tao Vinaninkarena no nitranga ny fanafihana, nirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy ary avy hatrany dia nanapoaka basy vao tafiditra ny tanana. Voalaza fa in’efatra nipoaka ny basy nandritra ny fanafihana. Tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolana noho ny fahatahorana ny aina, nilamina ireo jiolahy nandroba tao amin’ilay tokantrano. Nambaran’ny lasibatra fa misy olona mahalala tsara azy ireo sy ny fianinany nanambara tamin’ ireo jiolahy ny fisian’ny vola tao an-trano. Diso kajy ihany anefa ireto farany satria nanantena vola be. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao fisafoana sy fizahana taorian’ilay poa basy saingy efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Fantatra kosa fa bala plastika no napoakan’ireo jiolahy.
Andry N.