- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ilan-tanan’olona noviravirain'ny alika

Antsirabe : Ilan-tanan’olona noviravirain’ny alika

Ilan-tanan’olona iray no nisy nahita tao anaty harona plastika tao Antsahakely Antsirabe ny maraianan’ny Alakamisy lasa teo. Araky ny loharanom-baovao dia nentin’ny alika teo an-tanàna ity ilan-tanan’olona ity no nisy nahita. Tsy fantatra mazava noho izany ny niavian’ity tanana ity. Taorian’ny fizahana nataon’ny BMH niaraka tamin’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa mbola feno nofo ilay tanana  »avant-bras » ilany ankavanana.

Hatreto dia tsy mblola nisy ny fandrenesana fa misy olona tapa-tanana teo amin’ny manodidina. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana iandraiketan’ny mpitadro filaminana.

Nalevina eny ampasam-bahiny ilay tanana taorian’ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici