Mahatratra 9 ny isan’ireo jamba maka fanadidinana BEPC eto amin’ny Nosy ka ny 4 amin’izy ireo dia eto Antsirabe no misy ny foibem-panadinany.
Efatra mianadahy avy amin’ny FOFAJA indray no maka fanadinana BEPC tamin’ity taona ity eto Antsirabe ho an’ireo manana fahasembanana ara-pahitana, telo lahy ary vavy tokana. Ao amin’ny Lisea Andrée Resampa no misy ny foibem-panadinany. Manodidina ny 16 taona avy izy efatra mianadahy ireto ary ny sokajy A mazava ho azy no misy azy. Nizotra tamim-pilaminana ny adina tamin’ny omaly ary saika tsy nahitana olana izany, efa voadika tamin’ny soratry ny jamba “Braille” avy any amin’ny ministera rahateo ny laza adina. Vitsy ny isan’ireo jamba naka fanadinana tamin’ity taona ity raha ny fazavan’Atoa Rakotondramanana Harison Stefanoel tompon’andraikitra iray ao amin’ny FOFAJA. Izany dia noho ny fahasahiranana amin’ny fiantohana ireo jamba, satria saika zanak’olona sahirana avokoa izy ireo. Ankoatra izay, efa tapaka hatramin’ny volana janoary ny famatsiam-bola avy amina ONG iray azon’izy ireo, ny fitaovana ampiasana anefa lafo dia lafo. Maro ihany koa ireo zaza no nitsoaka an-daharana vokatr’io fahasahiranana io, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa hatreo amin’ny kilasy faha-5 ihany no tezaina sy ampianarina ao min’ny foibe FOFAJA eto Antsirabe ireo ankizy jamba fa aorian’izay dia miparitaka amin’ny sekoly izay tiana izy ireo fa misy fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra hatrany. Efa misy rantsan’ny FOFAJA moa any amin’ny faritra hafa, toy ny any Toliary, Ambositra, Farafangana Toamasina ary Mahajanga. Iraisana ary mitovy amin’ny rehetra ihany ny laza adina sy ny fe-potoana hanaovana azy.
Fa ankoatra izay dia azo ambara fa nilamina tanteraka koa raha ny tao amin’ny foibem-panadidina LARA no resahina. Nihena ny isan’ny tsy tonga raha oharina tamin’ny taona lasa, hoy ny provizera Richard Ranarijaona. Tsy nisy olana, hoy izy, ary fantatra fa enjehina amin’ny 30 jolay izao ny famoahana ny valin’ny BEPC.
Andry N.