Nahatratra 9 mianadahy indray ireo jamba naka fanadinana bakalorea teto Antsirabe tamin’ity taona 2014 ity. Iraisana amin’ny mpiadina rehetra ihany ny laza adina, saingy efa misy kosa ny teknisiana sy tompon’andraikitra manokana mamadika izany amin’ny soratra « braille » na soratra mivohitra ho an’ireo manana fahasembanana eo amin’izay fahitana izay.
Fantatra nandritra ny angom-baovao fa, tsy misy fampianarana manokana akory ireo jamba maka ny fanadinana bakalorea ireo fa miharo amin’ny mpianatra rehetra any an-tsekoly ihany. Na izany aza dia misy kosa ny fanarahamaso ataon’ny FOFAJA mandritra ny taom-pianarana. Misy amin’ireo mpianatra jamba ireo no mitana hatramin’ny laharana fahadimy hatrany any an-tsekoly amin’ny fanadinana. Midika izany fa mifampitana tsara amin’ireo manana vatana tomombana ny jamba, ny saina no miasa hoy ny fanazavan’ny mpiandraikitra iray tafaresaka taminay. Marihina fa atokana ny efitrano misy ireto jamba maka bakalorea mba hialana amin’ny kotaba , sokajy A1 sy A2 izy 9 mianadahy, ny telo fantatra fa avy ao amin’ny lisea Ambohimandroso, roa kosa avy eto amin’ny lisea André Resampa Antsirabe ary ny telo avy ao Sekoly Loterana Mangarivotra. Raha ho an’ny Foibe Fanabezana ny Jamba na FOFAJA dia hatreo amin’ny kilasy faha 5 ihany no andraisan’ny foibe ny fanabeazana ireo jamba fa miverina any amin’ny ray aman-dreniny kosa ireo mpianatra manomboha hatreo amin’ny kilasy fahenina. Nahatratra 11 isa no naka BEPC tamin’ny farany teo ary ny 8 tamin’izy ireo dia afaka avokoa.
Andry N.