Niteraka resabe teto Antsirabe ny fahamaizana tranon’ny manamboninahitra jeneraly iray; izay efa misotro ronono ary monina ao Antanivao. Hita faty tao an-tranony ilay jeneraly sy vadiny. Ny alin’ny Alarobia hifoha alakamisy tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany tany ho any no nirehitra ny trano. Tsy nisy nahalala izay mety ho niavian’ny afo aloha hatreto, fa dia tena may hotohoton’ny afo tanteraka ilay trano ary tsy nisy noraisina intsony. Fantatra, fa izy mivady, ary tovolahy kely mpanampy iray no niara-monina tao amin’io trano io. Fipoahana mafy no ren’ilay mpanampy izay natory tao ambony rihana, raha ny fitantarany ka nanaitra azy. Ity farany no niantso vonjy ary izany koa no nanaitra ny manodidina. Niezaka namono ny afo ny fokonolona, saingy tsy nahefa firy satria efa niledaleda be ny afo ary nanenika ny trano iray manontolo. Naharitra ora maro mihitsy izany. Fa nanaitra ny maro kosa ny fandrenesana fa hita faty nihidy tao amin’ny efitrano fatoriany ilay jeneraly, nihohoka nanakaiky ny farafarany ary nihosin-drà koa ny tavany. Ilay ramatoa vadiny kosa, tao an-dakozia no nahitàna azy,, tsy nisy fitafiana ny tapany ambany ary nahitàna ratra ny faritry ny lohany sy ny handriny. Toy ireny olona naolana ireny vao novonoina. Hita tao an-dakozia ny lamba firakofany izay mbola nahitana rà. Tsy mbola fantatra mazava noho izany ny tena nitranga marina fa ahiahy no hilazana, fa mety ho fanafihana ity nitranga ity, ary natao hanafenana ny ratsy vita ny fandoroana ny trano. Ny fanadihadiana anefa no hanamarina izany, izay efa miroso amin’izany ny mpitandro filaminana.
Andry N/D.R