Mirongatra indray ny vaky trano sy ny fanafihan-jiolahy, any amin’ireo fokontany somary mihataka kely ny renivohitra. Manao andiany maro be ireo jiolahy manao ny fanafihana, satria tsy latsaky ny 30 izy ireo no indray manafika, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Tsy vitan’izay fa àry fitaovana ry zalahy miaraka amina basy sy zava-maranitra. Tokantrano roa izao no fantatra fa nisy nanafika tao amin’ny fokontany Androvakely ny alin’ny talata 21 martsa teo. Ho an’ilay tokantrano voalohany izay fantatra fa mpivarotra, dia tao an-tafontrano no niditra ry zalahy rehefa avy nananika ny tamboho natao fiakarana. Ny vola no notakiana avy hatrany. Mpivarotra rahateo ity lasibatra. Voalaza fa ny bala teny an-tànany no narangarangany nentina nandemena azy efa-mianaka tao an-trano. Vola 1 tapitrisa ariary no fantatra fa lasan’ireo jiolahy, ankoatra ny entam-barotra, ny “panneau solaire” sy ny entana sarobidy tao an-trano. Tsy vitan’izany fa mbola naolan’ireo tsy mataho-tody koa ny zazavavy kely iray tsy mbola ampy taona akory. Raha mbola tao anatin’ny fanafihana tanteraka ireo jiolahy no nisy mpivady tratra alina hamonjy fodiana nandalo teo amin’ilay toerana nisy nanafika io. Taitra ireto farany raha nahatsikaritra izany ary rifatra nandositra sy niantso vonjy. Antso an’efitra anefa ny azy fa ny jiolahy indray no namaly ka nanenjika azy ireo ary tsy lasa lavitra akory dia tratra. Daroka sy vono no nihatra taminy, indrindra fa ilay rangahy, izay saika tapitra hatramin’ny ainy mihitsy, ka voatery naiditra hopitaly eto Antsirabe. Ankoatra izay, fivarotana iray hafa koa no voatafika nandritra io alin’ny talata io, tsy dia mifanalavitra loatra amin’ilay tanàna voatafika voalohany tao Tsaramody . Maro be hatrany ireo jiolahy izay heverina fa iray andiany amin’itsy voalaza etsy ambony. Tapitra noraofin’ireo olon-dratsy avokoa rehefa entana azo bataina. Tsy nisy kosa ny herisetra na vono tao amin’ity tokantrano ity, fa rehefa nahazo izay nilainy ireo jiolahy dia niala. Tonga teny an-toeana ny polisy io alina io ihany, saingy raha mbola tao amin’ilay trano voatafika voalohany izy ireo no nandre sahady ny fanafihana niseho tao amin’ilay trano faharoa. Hatreto aloha dia mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana ny polisy ary antenaina fa hisy vokany tsy ho ela izany. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka raheteo ny polisy mba hampilaza raha toa ka misy olona ahiahiana, na tsy fanta-pototra eo amin’ny fokontany fa hotazomina ho tsiambaratelo izany.
Andry N.