Ny alakamisy alina teo no nisehoan’izany tao amin’ny tanàna antsoina hoe Betainakoho. Jiolahy 4 tsy misaron-tava no nanafika tokantrano iray,nitondra PA vita gasy iray sy antsy ary sabatra izy ireo tamin’izany. Avy hatrany dia niditra ity trano ry zalahy ary nanambana sy nandrahona ny tompon’ny trano hamoaka ny vola, niantso vonjy anefa ity voatafika ka niezaka ny hamonjy azy ireo ny mpifanolo-bodirindrina. Nandritra izany dia nandeha ihany ny fandrobana ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 8 tapitrisa ary sy lecteur Vista iray.
Sady nitsoaka moa ireto jiolahy no namono izay sendra azy ,nisy ny tovolahy sasany izay niezaka nanampy ity traboina no voakapa famaky sy voatsindrona antsy ka dimy izy ireo tamin’izany, ity tovolahy 27 taona kosa no ratsy vintana izay saika hamonjy ireto voatafika fa maty noho ny vely kibay nahazo ny vatany iray manontolo sy ny lohany.
Efa nalefa eny amin’ny CSBII Ankazomiriotra moa ireto naratra mba hanarahana ny fahasalamany akaiky. Ny raharaha kosa dia efa eo am-pelatànan’ny borigady any an-toerana ka hikarohana ireto jiolahy ireto.
ALEM