Sesilany ny fanafihan-jiolahy sy ny vaky trano teto Antsirabe hatramin’ny volana desambra ka mandraka ankehitriny. Efa nisy « piste » ananan’ny zandary taoriana kelin’ireo vaky trano nisesisesy, saingy nijanona ho tsiambaratelo izany hitadiavana ireo tena atidoha mikotrika, raha ny fanazavana avy amin’ny zandarimaria. Ny faran’ny herinandro lasa teo, jiolahy fito mianadahy no saron’ny zandary avy amin’ny borigady Adranomadio Antsirabe. Tambajotran- jiolahy miray andiany ireto sarona ireto raha ny fanazavana voaray hatrany. Fito no isan’ny voasambotra hatreto ka vehivavy ny iray. Ity farany dia voalaza fa mpitsikilo sy mpaka ny mombamoba an’ireo trano hotafihina. Fantatra mantsy fa mpanampy no antom-piveloman’ity ramatoa ity taloha ka anisan’ireo trano be dia be notafihany ny mpampiasa azy. Ankoatra izay dia anisan’ny vesatra iampangana azy ihany koa ny fitahirazana ireo entana avy nangalarina. Mbola tratra niaraka tamin’izy fito mianadahy ireto mantsy ny entana maro be, toy ny « lecteur » fahitalavitra, « micro-onde », karazan-damba maro samihafa, baffle sns… Ankoatra izay dia sarona niaraka tamin’izy fito ireto ihany koa ny lehibeny. Namany roa no mbola karohina ankehitriny raha toa ka natolotra ny fitsarana ny faran’ny herin’andro teo ireo voasambotra. Fanomezam-baovao avy tamina olona tsara sitra-po no nahazoana ireo olon-dratsy nampihorohoro.
Nanentana hatrany ny mponina moa ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria Andranomadio, ny GPHC Rakotondrafaramalala Jean Landry ny amin’ny tokony hiaraha-mientana hamongorana ireo olon-dratsy.
Andry N.