- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy dimy voasambotra, mpanamboatra basy ny iray

Antsirabe : Jiolahy dimy voasambotra, mpanamboatra basy ny iray

Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana miisa dimy indray no saron’ny polisy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Tato ho ato dia saika ahitam-bokatra hatrany ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana eto Antsirabe. Tra-tehaky ny polisy manao fisafoana amin’ny alina mantsy ny jiolahy telo lahy tao Andranomafana. Nanaitra ny polisy manao fisafoana ny fihetsik’izy telo ireto  fa toa mahimahina sy hafahahafa izany. Tsy niandry ela koa ny mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nanontany sy nisava azy ireto. Tsy afa nihetsika intsony izy telo lahy fa tratra niaraka taminy ny basy vita gasy iray niaraka tamina bala. Toran-kovitra sy nibaradaka ny roa ka avy hatrany dia niaiky sy nilaza  fa nikasa hanafika magazay tao Avaratsena no anton-diany, saingy mbola maro olona nifamezivezy tao  ka niverina ry zalahy. Tao Andranomafana no saika hanafika indray, kinanjo izao voasambotra izao.

Tsy afa bela tamin’ny fanadihadihana nataon’ny polisy izy telo lahy ka nanoro ny olona hafa izay nividianana ny  basy sy bala. Voalaza fa tao Betafo no toeram-ponenan’ilay namany ka nidina tany ny polisy nanao ny fisamborana. Tratra niaraka tamin’ity farany ihany koa  ny basy vita gasy hafa niaraka tamina bala maromaro sy fitaovana hafa nanamboarana azy. Tsy nijanona teo ny isan’ ireo voasambotra fa mbola nanonona olona hafa ihany koa ity voalaza fa mpamboatra basy ity. Marihina fa vehivavy ny iray, voampanga ho mpiray tsikombakomba amin’izy efa-dahy voasambotra ireto. Natolotra ny fitsarana omaly alatsinainy izy dimy voasambotra ireto

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser