Jiolahy efa rain-dahiny amin’ny famakiana trano no saron’ny zandary teto Antsirabe. Manao fanamiana zandary ravinala ity jiolahy ity rehefa manao ny asa ratsiny ka maro no mihevitra azy fa tena zandary tokoa.
Hatramin’ny niandohan’ny volana aprily no efa nahafantarana fa misandoka ho zandary amin’ny fanamiana ity jiolahy sarona ity. Olona tsara sitra-po no nahafantarana ny vaovao, ary nampandre tamin’ny zandary fa misy olona mampiahiahy ao Ambohipeno Antsirabe. Nanara-maso miafina io lehilahy io ny zandary nandritra ny fotoana elaela. Tao anatin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa tena ilay io ilay mpanafika manao fanamiana zandary. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ny zandary rehefa nahazo alalàna avy tamin’ny fitsarana. Tsy afa nanda intsony ranamana fa tratra tao aminy ilay fanamiana ravinala. Ankoatra izay mbola nahitana fitaovana maro koa tao an-tranony, toy ny fahitalavitra, sy ny kojakoja fampiasa ao an-dakozia. Nandritra ny fisavana, efa maro tamin’ireo jiolahy no tafatsoaka ny trano fa tovolahy iray no taraiky ka noraisim-potsiny. Niaiky ny heloka hiampangana azy ity lehilahy ity ary nanambara fa izy sy ny ekipany no manao ny fanafiahana. Fantatra ihany koa fa fanamian’ny zandary iray vaky trano teto Antsirabe ity sarona ity, ary mbola hita tao an-tranony koa ny fitaovana sasantsanany an’ilay zandary.
Andry N.