Efa nandrenesana sy nahafantarana vaovao ny mikasika ireto jiolahy telo voasambotry ny polisy ireto, ka niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ny talata 19 Aogositra 2014 teo.
Efa hatramin’ny ela no nikarohan’ny polisy ireto jiolahy ireto, malaza ratsy amin’ny fanafihana sy vaky trano ry zalahy. Tsy nampoizin’izy telo lahy, ny fahatongavan’ny polisy tao amin’ny trano fonenany tamin’ny daty voalaza eo ambony. Tsikarit’ireo jiolahy tao an-tranony anefa fa misy polisy mihaodihaody manodidina ny tranony, ka dia lasa nitsambikina ny varavarankely ao ambadiky ny tranony ny iray. Nikasa hanivaka ny tanimbary ity farany kinanjo nifanehitra tamin’ny polisy roa . Nampitandrina azy ilay polisy hijanona, tsy nahoany anefa izany fa vao mainka koa izy nandositra hatrany, voatery nitifitra ny polisy ka voa teo amin’ny tongony ilay jiolahy. Ny roalahy kosa nijanona tao an-trano ary tsy nanao fihetsika mahery, ka dia noraisina mora foana. Raha ny fanazavana teo anivon’ny polisy dia mbola nidofaka fofon-drongony izy telo lahy tamin’ny ora nisamborana azy.
Andry N.