- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy rain-dahiny, voatifitra teo amin’ny tongony

Antsirabe : Jiolahy rain-dahiny, voatifitra teo amin’ny tongony

Efa hatry ny ela no nokarohin’ny polisy ity jiolahy rain-dahiny teto Antsirbe ity. Tao amin’ny toby fiantsonan’ny fiara tao Ambavahadimangatsika no nahavoasambotra azy omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Efa vonona ny hanohitra ny polisy ranamana  ary nikasa  hampiasa ny basin’ny iray tamin’ireo namany, izao voatifitry ny polisy izao. Tsikatr’ity jiolahy ity fa nanao fisafoana teny amin’ny toerana fandehanany matetika ny polisy ka niova akanjo haingana izy, ary nihevitra fa tsy ho tadidin’ireo mpitandro filaminana. Efa mailo anefa ny polisy ary tsy zoviana tamin’izy rahateo ny toe-batany ka mora nofantarina avy hatrany. Nikasa hamaly ity jiolahy ity rehefa tratra, saingy ny balan’ny polisy no tonga mialoha, izay niantefa tamin’ ny tongony.

Voalaza fa isan’ny iampangana ity jiolahy ity ihany koa ny fanafihana sesilany niseho teto Antsirabe sy ny manodidina niampy ireny herisetra maro isan-karazany ireny hatramin’ny taona 2014.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser