Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora hariva, kamiao lehibe iray nitondra simenitra no nifaoka moto iray teo Antsenakely. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa tafajanona ihany ilay kamiao lehibe rehefa avy nifaoka mpitondra moto. Lasa ity farany no solon’ny hisatra nanajanona ilay kamiao. Voalazan’ireo mpiasa tao anatin’ny fiara fa tsy nahalala ny mpamily fa tsy mihinana intsony ny hisitr’ilay fiara raha tsy efa teo am-pototry ny loza. Marihina fa samy tsy nisy nandeha mafy na ilay fiara na ilay moto fa nisy fitohanana ny lalana tamin’io ora io. Voalaza fa niala cyclo posy teo ankavanany ilay kamiao ka nifatratra tao amin’ilay moto teo ankaviany izay nialoha azy. Nihisatra teo amin’ny 2 metatra teo vao tafajanona ilay fiara, nandritra izany no nahay niala ilay nitondra moto ka tsy voahitsaka tao ambanin’ny fiara. Vao mainka niteraka fitohanana ny fisian’ity tranga ity, saingy tsy naharitra ela izany satria nisy polisy tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza. Nandriga ilay rangahy ary nilaza fa ny tongony no voa mafy voatsindry, ary simba ny moto nentiny.
Andry N.