Nisehoana hain-trano mahatsiravina indray teto Antsirabe, ny alin’ny Talata 3 Novambra lasa teo. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tany no nirehetan’ny afo, vao niitatra ny firehatry ny afo dia nanano sarotra ny famehezana azy na dia tao anatin’ny ora-mikija aza teto Antsirabe. Nilaza ny mpiambina iray fa mbola teo am-pisakafoanana izy no tapaka tampoka ny herinaratra, nivoaka izy nijery ny zava- nitranga kinanjo efa afo be mijoalajola no tazany. Niezaka niantso namana aho hamono ny afo hoy filazany, kinanjo efa niitatra be loatra ny afo ka tsy voafehy intsony.
Birao efatra be izao no indray levon’ny afo io alina io, isan’izany ny efitrano fivoriana sy foiben’ny antoko TIM eto Antsirabe, raha ny fantatra aza dia tao amin’io trano io mihitsy no niandohan’ny afo. May kila tao avokoa noho izany ireo antontan-taratasy maro sy fitaovam-piasana an’ity antoko ity. Mifanila vodirindrina amin’ity toerana ity ny sampandraharahan’ny ministeran’ny varotra misahana ny fanara-hamaso ny fitaovam-pandanjana eto Vakinankaratra sy ny biraon’ny “fertilis Interenational “ levon’ny afo avokoa ireo. Voa mafy tamin’ity loza ity koa ny fikambanam-behivavy reny miavotra; izay manome fampiofanana ireo vehivahy sy mitondra fampivoarana ny vehivavy sy ny tanora amin’ny alalan’ny fampianarana zaitra, fanodinana voankazo, ary ny fampiofanana informatika. May kila tao avokoa noho izany fitaovan’ity fikambanana ity; izay mitentina eo amin’ny 60 tapitrisa ariary, raha ny fanazavana noho ireo solosaina sy milina levon’ny afo.
Tonga namono ny afo ny “groupe socota” niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Somary naharitra ihany ny famehezana ny afo, maro ireo entana simba sy kilan’ny afo.
Mifamahofaho be ihany resaka mandeha hatreto, ao ireo izay milaza fa nodoran’ny sasany ny efitrano fivorian’ny TIM eto Antsirabe, ao koa ireo miteny fa vokatry ny herinaratra no nahatonga ny loza. Ny fanadihadiana no hamantrana ny zava-nitranga marina.
Andry N.