Raha somary nangingina ny resaka vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohimena dia niverina indray izany tato ho ato, raha ny fanavana avy teo amin’ny fokontany.
Tsy latsaky ny telo mantsy ny tokantrano efa lasibatr’ireo olon-dratsy tamin’ny herinandro lasa teo. Saika andrenesana vaky trano hatrany isaky ny alina. Mailo ireo mponina manodidina ka samy efa niandriandry izay figadon’ireto olon-dratsy handroba. Ny zoma faran’ny herinandro lasa teo, indreny tokoa bandy telo lahy no namaky tranona mpiompy akoho manatody lava, tao Ambohimena. Taitra ny tompon-trano ka niantso vonjy, raikitra ny fanenjahana, ny mpiray vodirindrina rahateo samy efa tsy mandrimandry avokoa vokatr’ity tsy fandriam-pahalemana ity. Nifanenjahan’ny fokonolona izy telo lahy ireto, tafaporitsaka ny roa lahy fa lehilahy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo no tsy afa nandositra loatra ka saron’ny fokonolona. Io no niharan’ny fahatezeran’ireto vahoaka tezitra ka naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy. Niantso ny polisy ny kartié mobily ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly ity lehilahy efa lazondazony. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory dia efa tapitra ny ain’ity mpangalatra ity. Fantatra moa fa tsy mponina eo amin’ny fokontany ity mpangalatra maty ity fa olona avy any Mandaniresaka.
Andry N.