- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy hita tafy tao anaty dobo

Antsirabe : Lehilahy hita tafy tao anaty dobo

Lehilahy iray no hita faty tao anaty dobo omaly maraina, teto Antsirabe. Tao amin’ny dobon-dra-Côcô ao Andranomafana no nahitana azy, miboridana tsy nisy afa-tsy takon-kenatra teny an-kodiny.

Omaly maraina no nosokirina tao anaty dobo ny vatana mangatsiakan’ny raim-pianakaviana iray  antsoina hoe Ra-Dédé, tokony ho 32 taona eo, mponina ao Antsenakely.  Raha ny nambaran’ny vadiny dia ny alatsinainy izy ireo no nifankahita farany taorian’ny sakafo maraina. Nirava avy niasa teny Tombontsoa ilay ramatoa ny hariva no nisy nampandre  fa maty ao amin’ny dobon-dra-Côcô ny vadiny, nilaza ireo olona ireo fa nifamaly tamin’ny namany roa lahy io vadiny io talohan’ny nafahafatesany izao. Tsy iza ireo namany ireo fa zanaky ny tompon’ny dobo ary efa mpinamana hatry ny ela izy ireo. Io hariva io ihany dia nandeha nikaroka azy roa lahy tany an-tranony ilay ramatoa,  saingy tsy tao ry zalahy fa niafina tany amin’ny tranon’ny anabaviny. Tsy nanaiky ilay ramatoa vadiny raha tsy hitany izy roa lahy ka nentiny tany amin’ilay ray amandrenin’ny vadiny hilaza ny zava-nitranga rehetra. Fanambaran’izy roa lahy moa ny hoe nisaka trondro ra-Dédé, voan’ny crampe tao anaty rano ka  maty. Tsy nisy fanazavana maro fa dia izay no nambaran’izy roa lahy. Avy hatrany moa dia nosamborin’ny polisy izy roa lahy ireo hanaovana fanadihadiana. Nampametra-panontaniana ny maro ny hoe naninona no tsy niantso vonjy izy roa lahy raha nahita ny namany nilentika tao anaty rano.

Mbola tazana teo amoron-drano kosa ny akanjon’ilay rangahy maty.

Tonga teny an-toerana ny BHM sy ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Tsy nahitana ratra na faritra mangana ny vatany. Natolotra ny fianakaviana ny razana taoarian’ny fizahana rehetra.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici