Lehilahy iray no hita faty teo amoron-dalana omaly maraina tao Ampatana. Tsy manan-kialofana izy fa eny an-tsena na eny amoron-dalana eny no monina sy matory. Mpitari-posy no asany taloha saingy niala tamin’izany izy, hoy ny rahalany, faralahy hany sisa tavaela amin’izy mianakavy. Nambaran’io zandriny io fa efa maty avokoa ny fianakaviany ka tsy misy afa-tsy izy roa lahy sisa. Samy tsy manan-kialofana izy roa lahy ireo fa dia lanitra hatrany no tafo rehefa alina ny andro. Asa aloha izay tena nitranga marina omaly maraina fa vatana tsy nisy aina intsony no nahitan’ny olona azy. Teo amina toeram-pivarotana iray izy no natory ny alin’ny talata lasa teo, hamelatra entana maraina ireo mpivarotra no saika hamoha azy kinajo vatana efa mihitsindra be no hitany. Nampandre avy hatrany ny fokontany ireto farany, ary tonga teny io maraina io ny teo anivon’ny BMH sy ny polisy nanao ny fizahana. Tsy nahitana ratra na mangana ny vatany, voalaza fa tsy nisy fofon-java pisotro misy alikaola koa ny vatany. Tombana noho izany no ilazana fa matin’ny hatsiaka io lehilahy io. Hiaraha-mahita rahateo ny hatsiaka eto Antsirabe tato ho ato izay fa dia mamirifiry tokoa, izy rahateo tsy nitafy lamba fa dia ny lamba teny an-kodiny ihany no firakony. Ontsa no sady nangoraka ireo nahita ka nanao tsipaipaika ny fokonolona teo amin’ny manodidina niaraka tamin’ny fokontany mba hividianana lamba mena sy hikarakarana ny fandevenana azy. Nambaran’ny lehiben’ny fokontany fa vola 35000 no vaoangona hikarakarana ny razana. Tsy nandoavam-bola koa ny fikarakarana ny taratasy rehetra tao amin’ny kaominina. Eny Ampasambihiny no andevanan’ny fokonolona sy ilay zandriny azy, izay nalevina omaly ihany.
Andry N.