- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy maty irery tao an-tranon’ny mpampiasa azy

Antsirabe : Lehilahy maty irery tao an-tranon’ny mpampiasa azy

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no hita faty tao an-tranon’ny mpampiasa azy ny alatsinainy 17 martsa lata teo tao amin’nny fokontany Ampahatra andrefan’ny  Star Antsirabe. Efa potika tanteraka ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny BMH nanao ny fizahana teny an-toerana tamin’io fotoana io. Tsy nisy  nahahafantarana ilay razana intsony fa efa nihintsana avokoa ny nofon’ny tarehiny raha ny fanazavana voaray, ary feno olitra avokoa ny vatany. Ny fofona tsy lazaina intsony raha ny fanazavana voaray hatrany.

Any Manjakandriana no monina ilay fianakaviana mampiasa ity lehilahy ity, saingy nanorina trano fonenana teto Antsirabe ka io lehilahy maty io no miambina ilay trano.  Isaky ny faran’ny volana no mandalo eto Antsirabe ilay ramatoa maka ny fisotron-drononony ary mitsidika ilay trano nantsangany. Akory anefa ny hatairany nahita ny trano nihidy be ary feno lalitra ny varavarankely. Nampandre ny teo anivon’ny fokontany avy hatrany ity farany,tonga teny an-toerana ny polisy sy ny BMH tokony ho tamin’ny 5 ora hariva namoha ny trano. Akory ny hatarainy  fa razana efa potika sy namoaka fofona ratsy be no tazana. Araka ny filazan’ny olona teny an-toerana moa dia tia mpisotrosotro ity maty ity  ary tsy nisy nihevitra na nanampo ny rehetra fa maty irery tao an-trano ranamana. Manam-bady aman-janaka ny lehilahy mipetraka any Ambohidranandriana Antsirabe II ny fianakaviany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser