- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy maty tao Andraikiba, hita omaly alina ny razana

Antsirabe : Lehilahy maty tao Andraikiba, hita omaly alina ny razana

Omaly alarobia tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina no hita ny fatin’ilay tovolahy maty natelin’ny rano tao amin’ny farihin’ Andraikiba tamin’ny Alatsinain’ny Paska teo. Telo andro taty aorina vao natsingevan’ny rano ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy maty tao Andraikiba. Efa alina tokoa vao hita ny razana, nitsingevana teo antsimon’ny tobin’ny jirama no nahitana azy. Ny kartie mobily sy ny fokontany 3A Andraikiba ary ny solontenam-pokonolona no niara nisalahy nitady ny razana nandritra izay fotoana tsy nahitana ny razana izay. Raha tsiahivina moa dia nilomano tao amin’ny farihy ity tovolahy ity tamin’ny alatsinain’ny Paska. Raha ny fantatra anefa dia nisarongotan’irony antsoina hoe firamba ity lehilahy ity ka tsy hita intsony.

Monina ao Ambavahadimangatsika Antsirabe ity maty  ity, 25 taona ny tenany, avy any Fandriana saingy efa valovotaka teto Antsirabe kosa.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser