- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy maty voadonan’ny fiara, hita faty teo amoron-dalana

Antsirabe : Lehilahy maty voadonan’ny fiara, hita faty teo amoron-dalana

Efa niely teto Antsirabe indray ny feo fa misy fatin’olona hita teny Mahafaly vatofotsy, milaza fa feno dian’antsy, tsy ao ny taovany sns, ka nampisahotaka ny olona. Teny amin’iny faritra iny rahateo no mateti-piseho ity resaka vono olona ity.

Nisy tokoa ny maty saingy tsy marina ny vaovao naely taminy.  Maty niharan-doza ilay rangahy raha ny tombatombana sy ny ratra hita tamin’ny vatany. Manamafy izany ny vaovao voaray fa mbola nahateny izy tamin’ny nahitan’ny olona azy, nilaza fa voadona izy ary niangavy ireo nibata azy mba hitondra azy any amin’ny hopitaly. Napetrak’ireo olona teo amin’ny sisin-tamboho anefa izy ary teo no fantatra fa nanary aina. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora no nahitan’ny olona ny vatana mangatsikany. Tokony ho 40 taona eo ilay rangahy, taoriana ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitry ny BMH sy ny polisy, dia fantatra fa nahitana ratra ny tehezany sy ny tongony havanana. Nisy rà nivoaka ny sofiny ary nambara fa vaky mihitsy ny karan-dohany na  tsy hita tety ivelany aza izany. Nivoaka rà ny fitombenany, azo ilazana ireo fa mety ho voahitsaky ny kodiarana mihitsy ity raim-pianakaviana ity.

Fantatra fa mponina avy ao Ambano izy, manambady aman-janaka fa miasa miambina tananan’olona ao Mahafaly Vatofotsy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici