- Publicité SW45 -
lundi, mars 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy nafatotra teo ambody hazo, notapahana ny tendany, nodidiana ny...

Antsirabe : Lehilahy nafatotra teo ambody hazo, notapahana ny tendany, nodidiana ny filahiany

Matetika no isehoana vono olona ao Ivohitra.
Matetika no isehoana vono olona ao Ivohitra.

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana ity olona ity. Ratra marobe no hita tamin’ny vatany. Lehilahy iray  manodidina ny 45 taona  no hita faty teny Ivohitra, omaly alahady tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa ity raim-pianakaviana  hita faty ity. Nafatotra teo am-body hazo ny tenany, nesorina avokoa ny fitafiany ka niboridana tanteraka. Nambaran’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana fa ny « short » nanaovany no norovitin’ireo namono azy ka namatorany ny tanany teo amin’ilay hazo nahitana ny razana.  Tamin’ny fomba feno habibihana tanteraka no namonona azy, feno tsatok’antsy sy  diana daroka  ny vatany iray manontolo. Nahitana loaka ngeza be ihany koa tao ambany heliny ary nodidiana  ka tapaka tanteraka ny tendany. Ankaotra izay dia notampenan’ireo tsy mataho-tody tamina vorodamba ny vavany ary novoasany ny filahiany, avy  eo nosontominy ka saika niongotra mihitsy. Tamin’ny sabotsy lasa teo tamin’ny 4 ora no nahitan’ny fianakaviana an’i Laurent azy farany. Ankoatra ny asa fanaovan-tsarety izay anton’asany mantsy dia miaraka amin’ireo namany mpiantoka omby koa ity namoy ny ainy ity, ka tamin’io fotoana io dia tsy niverina tao an-tranony intsony  izy. Gaga ny fianakaviny fa tsy fanaony mihitsy ny mody alina.

Mpaka vilona teny Ivohitra no nahita ny razana voalohany ka niantso vonjy sy nitsoka kiririoka. Tonga maro be nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny fokonolona. Akory ny hatarain’ny fianakaviany  fa hay ilay havany tsy nody tamin’ny sabotsy tokoa ity hita mifatotra am-body hazo ity. Namela kamboty roa sy mananon-tena iray i Laurent Ramanamizaka. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa misokatra ny fanadihadiana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser