Lehilahy iray tokony ho 35 taona eo ho eo no maty namono tena, nitsoraka tao ambany kamiao omaly maraina. Tsy nisy nanampo ny mety ho fihetsik’ity lehilahy ireo namany sy mpiara-miasa tafiaraka taminy omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany tao Vatofotsy, fa avy hatrany izy dia nitsambikina tao ambanin’ilay fiara vaventy nizotra moramora. Feno lavadavaka rahatateo iny lalany iny tsy afahan’ny fiara mandeha mafy ary tsy naka sarotra ranamana fa avy hatrany dia nitsoraka nanandrify ny kodiarana nanapitra ny ainy. Maty tsy tra-drano ity lehilahy ity, tapaka ny valahany sy ny tanany tsy nisy azo natao intsony. Tsy fantatra mazava aloha ny tena antony nanaperany ny ainy, nisy fotoana izy no efa nanambara ny hamono tena hoy ny fianakaviany.
Fantatra fa manambady ary manan-janaka efatra ity lehilahy ity, mpanera no asany ary eny Talata Andraikiba no fonenany fa mikarama no andehanany eto Antsirabe.
Andry N.