- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy nilaza ho nidiran’ny devoly, novonoiny ho faty ...

Antsirabe : Lehilahy nilaza ho nidiran’ny devoly, novonoiny ho faty ny zanany mianadahy

Natolotra ny fampanoavana omaly Talata,  ary naiditra am-ponja avy hatrany ity raim-pianakaviana nahavanon-doza namono ny zanany  mianadahy ity. Tao Mandriankeniheny no nisehoan’ity tranga mampivarohantsana ny maro ity. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, dia nilaza ity raim-pianakaviana ity fa nisy mibitsika izy maniraka azy hamono ny zanany. Nambarany fa tsy tompon’ny tenany izy teo am-pamonoana ireo zanany roa ireo, fa rehefa nahavita ny nataony vao latsa-nenina. Ny nahagaga anefa, dia tsy andro iray no namonoany ireo zanany ireo fa andro roa samy hafa. Ny alakamisy 9 janoary no namonoany ny zanany lahy kely vao  efa-bolana monja. Tsy tao an-trano ny vadiny tamin’io fotoana io, fa nandeha naka kitay, novonoin’ilay rangahy ilay zaza mena vava, nokendainy ho sempotra ary nosaronany bodofotsy avy teo. Hatairana ny an’ilay ramatoa rehefa nody nahita ny zanany tsy niaina intsony ary nambaran’ity vadiny fa maty sempotry ny lamba tao ilay zaza. Ny harivan’io ihany, dia nalevina ilay zaza, tsy nanatrika izany anefa ity rainy fa nitondra ny zanany vavy kely nandositra indray io alakamisy io. Tsy niverina ity farany raha tsy ny zoma  10 janoary tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro ary nitondra ny zanany vavy 1 taona sy tapany  avy novonoiny tany anaty ala. Ny sabotsy maraina tonga teny an-toerana ny polisy  sy ny BMH niaraka tamin’ny  CSBII tao Mandriankeniheny  nanao ny fizahana. Voatery nofongarina ilay zaza mena vava nanaovana ny fitiliana ary voamarina fa maty nokendaina ilay zaza noho ny dian-tànana hita mbola mangana teo amin’ny tendany. Nitrangana seho hafahafa mampivarahontsana ny maro teto Antsirabe tato ho ato, efa misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny tena marina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici