Miseho lany indray ity ny olana eo anivon’ny DREN Vakinankaratra, raha mbola tsy voavahy ny olana teo amin’ny fitakian’ireo mpampianatra FRAM dia indro efa mipoitra indray ny olana hafa. Nanomboka omaly talata 18 Oktobra maraina, nanapa-kevitra ny mpandraharaha sy ny mpampianatra ary ireo mpianatra fa hitokona, nitondra sora-baventy sy naneho ny heriny teo antokotanin’ny sekoly manohitra tanteraka ny fanolona ny provizera am-perinasa ankehitriny. Raha ny fanazavana voaray, teo am-pivoriana mahakasika ny hanatsarana ny sekoly ny mpandraharaha sy ny provizera ny alatsinainy lasa teo no nilatsaka ny taratasy manendry ny talen’ny CEG Ambilombe hisolo an’I Atoa Richard Ranarijaona provizeran’ny marojery ankehitriny. Raha ny fantatra anefa dia efa neken’ny ministera am-bava ny hitazomana azy mbola hitantana ny marojery mandrapaha-tapitr’ity taom-pianarana ity noho ny fangatahana nataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, saingy ny mahagaga dia nanjavona tao amin’ny cisco sy ny DREN ilay taratasy fa tsy tonga tany amin’ny ministera. Mipetraka noho izany ny ahiahy sao misy ambadika ataon’ny mpitantanana sasany mahakasika ity fanoloana ny provzera amin’ny tsy lera ity. Raha ny fantatra hatrany mantsy dia handeha hisotro ronono amin’ny volana desambra izao Atoa provizera.
Tao aorian’ny nahafantaran’ny mpandraharaha ny vaovao nilatsaka, nisy ny fivoriana natao, fivoriana izay marihina fa niangaviana an’I provizera hisintaka kely. Nisy ny latsa-bato niafina natao mahakasika ny hanekena ny hanolona azy na tsia , fantatra fa ny 97% n’ny mpifidy nanao tsia avokoa, ny ambiny kosa no nilaza fa atao ny famindram-pitantanana. Teo no ho eo ihany dia natsangana ny komitin’ny mpitokona ary nandefa fanambarana amin’ny fianakaviam-ben’ny fanabeazana mba hamaha ny olana fa tsy afaka hianatra anaty savorovoro ny mpianatra. Etsy ankilany, tsy nanaiky koa ny mpianatra fa nivory ary nanangana sora-baventy maneho ny tsy fankasitrahany ny hanoloana ny provizera. Manao fitokonana fanaraina 48 ora noho izany ny marojery ka raha tsy misy ny famahana ny olona dia tsy hisy fetrany ny fitokonana araka ny vaovao voaray.
Somary efa nahiana ihany ity tranga ity raha ny fahitana azy satria nanaitra ny maro tokoa ny nandre ny lahateny natao’I Atoa Zefa Arisoa Rakotosalama talem-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Vakinankaratra nandritra ny fanamarihana ny faha 53 taonan’ny lisea André Resampa vao tsy ela akory izay.
Andry N.