- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe / Maintimolaly Marista : Hamelona indray ny fikambanana

Antsirabe / Maintimolaly Marista : Hamelona indray ny fikambanana

Efa nitsangana hatry ny ela ny fikambanana maintimolaly marista  ary vao avy nankalaza ny ny faha 100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny  fikambanana, tsy ela akory izay. Hovelomina indray ny fikambanana ankehitriny, fantatra izany nandritra ny valan-dresakana natao ho an’ny mpanao gazety teto Antsirabe tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Nitarika ity hetsika ity ny filoha federalin’ny fikambanana. Fotoana izao, hoy izy, hanetsehana indray ireo mpianatra tao amin’ny frera marista mba hifanaraka amin’ny tarigetra tamin’ny fankalazana ny faha 100 taona manao hoe: “ Marista mitondra aina vaovao”. Tanjon’ny hetsika ny hampijoro ny frera marista, ka eto Antsirabe no hanombohana izany satria eto Atnsirabe no misy ny foibe frera marista eto Madagasikara. Hisy noho izany ny hetsika karakaraina ao amin’ny kolejy lisea St joseph Antsirabe ny faha 4 may izao ka hanasana ireo rehetra nanovo fahalalana tao amin’ny sekoly frera marista ka fotoam-pivavahana no hanokafana izany, harahina famelabelaran-kevitra arahina adihevitra iarahana amin’ireo ray aman-dreny namolavola. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fitsangantsanganana sy atrikasa handinihana ny fandaharan’asa. Aorian’io fotoana io no hisian’ny fifidianana sy fananganana ny birao hatolotra ny AEFM.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser