Nisehoana vaky trano tao Tomboarivo Antsirabe, ny alin’ny Alatsinainy teo, tokantranona mpivarotra no niharan’ny fanafiha, entana maro no najifan’ireo jiolahy tamin’izany.
Tapitra noraofin’ireo jiolahy mpamaky trano avokoa rehefa entana azo nobataina tao amin’ity tokantranona mpivarotra sakafo masaka ity. Ny Alatsianiny efa hadiva ho maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany ry zalahy no niditra tao an-trano, rehefa nopitsohiny ny varavarana fidirana. Tsy nisy nahaheno ny nidirany ny tao an-trano, fa resin-tory avokoa. Marihina anefa, fa efitra iray ihany ny an’ireto fianakaviana ireto, izany hoe sady efitra fatoriana no lakozia ary fitoeran’ny fitaovana rehetra fampiasa mivarotra. Tombanan’ireo niharam-boina fa, nampiasa fonoka ireo mpamaky trano. Tsy nisy taitra ny tao anefitra na iray aza, ary tsy nisy naheno ny nibatan ‘ireo jiolahy ny entana rehetra. Isan’ny entana lasan’ireo mpamaky trano ny vilany lehibe dimy; izay mbola nisy hani-masaka. Naparitak’ireo jiolahy tamin’ny lalana moa ny sakafo tao anaty vilany. Ankoatra izay, nobatain’ireo jiolahy ihany koa ny vilia rehetra, niampy “lecteur” sy kojakojan-tokatrano rehetra izay eo an-tongom-pandriana no misy azy.
Niverina indray izany asa ratsy izany eo amin’ity fokontany ity. Matetika mantsy no andrenesana vaky trano sy fanendahana eo amin’ity faritra ity tato ho ato izay.
Andry N.