- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mampiasa fonoka mahery ny jiolahy mpamaky trano

Antsirabe : Mampiasa fonoka mahery ny jiolahy mpamaky trano

Mirongatra ny vaky trano eto Antsirabe raha ny re etsy eroa indrindra Hatramin’ny niandohan’ny fetin’ny krismasy 2013 teo iny dia saika ho isan’andro no andrenesana izany. Tsy mifidy asiana ireo jiolahy fa ny manana ny antonontonony na ny manan-katao dia mahita faisana avokoa. Amin’izao androm-pahavaratra izao rahateo tsy re tsaika ireo jiolahy noho ny fitrahotrahon’ny ranon’orana. Anisan’ny lasibitra amin’izany ny fokontany Vatofotsy Mahafaly. Tokantrano maromaro teny an-toerana mantsy no nandrenesana fa niharan’ny halabotry sy fisoko tato ho ato. Tsy misy mahare ny fidiran’ireo jiolahy ao an-trano na ao amin’ny garazy fa ny maraina mifoha vao mahatsikaritra fa vaky ny trano. Tapitra raofin’ireo olon-dratsy avokoa izay hitany rehetra, ny kojakojana-fiara toy ny batery, ny radio sy izay rehetra azo tsoahina aloha hatreto no tena maro mpangalatra. Nahazo vahana ihany koa ny fangalarana irony voninkazo lafo vidy eo an-tokontany na an-davarangana irony;  eny fa hatramin’ny pôm-boninkazo aza dia hitan-dry zalahy angalarina ankehitriny. Mpivarotra zavapisotro iray ihany koa no nisy namaky tao Tomboarivo, efa tapitra tafavoak’ireo jiolahy teo ivelan’ny trano avokoa ny entana rehetra, saingy taitra ny mpifanila vodirindrina  ka ity farany no niantso vonjeo. Rifatra nandositra ireo jiolahy, ny tompon-trano kosa tsy taitra raha tsy efa raikitra ny kiririoka. Voalaza fa mampiasa fonoka mahery vaika ireo jiolahy ka tsy misy maheno na inona na inona ny tokantrano idirany fa renoky ny torimaso avokoa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser