- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Manamboninahitra nosavoritahin’ny makorelina

Antsirabe : Manamboninahitra nosavoritahin’ny makorelina

Naka mpivaro-tena ity lehilahy ity, ary rehefa vita izay natao dia nikasa ny hiala moramora, hitsoaka vola. Saingy tsikaritr’ilay mpivarotra fahafinaretana izany ary nahatonga azy nanaitra ny manodidina avy hatrany. Vetivety foana dia nitangorona ireo mpivaro-tena maro ary tsy vitan’izay aza fa ireo olona nisotrosotro tao amin’ny toeram-pilanonana ihany koa dia niray feo avy hatrany tamin’ireo olona saika voasoloky. Nitangoronan’ny olona Ingahy manamboninahitra ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Mbola izy indray anefa no avo vava ka nikasa ny hitondra an-keriny ilay makorelina tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nanaiky izany ireo olona izay efa nihamaro sy nihatezitra nanoloana ny zava-misy. Efa nanomboka nisy nitoraka ilay fiara Peugeot nentin’ilay manamboninahitra vao tonga saina izy fa mafana ny toe-draharaha. Nahita izany ihany koa ny naman’io farany dia niala tsikelikely teo amin’ny manodidina. Nanapa-kevitra ny nitsoaka ilay rangahy satria tezitra ny olona. Vaky hatramin’ny fitaratry ny fiara izay nentiny mandra-pialany teo an-toerana. Isan’ny nahatezitra ny mpivaro-tena maro ny fisian’ny tranga fisolokiana azy ireo ataon’ny mpitandro ny filaminana sasany ao Vakinankaratra. Ity tranga ity izany ny piti-drano nampihoatra ny vazy ka nahatobaka ny rano. Amin’ireo mpivaro-tena mantsy dia sady tsy fanajàna ny asan’izy ireo no endrika fanamparam-pahefana ity nitranga ity. Kely rahateo ny tanànan’Antsirabe ary vetivety dia mahoraka ny zava-mitranga. Lasa mailo amin’ny mpanjifa miaramila tanteraka ireo mpivarotra fahafinaretana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici