- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Matin’ny lozam-pifamoivoizana ny Dj Bryan

Antsirabe : Matin’ny lozam-pifamoivoizana ny Dj Bryan

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teto Antsirabe, ny harivan’ny Sabotsy teo. Tovolahy fantandaza eto Antsirabe no maty tamin’izany.

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana miseho eto Antsirabe tato ho ato izay, saika misy hatrany ny maty ankoatry ny maratra mafy. Dj Bryan, izy no namoy ny ainy, ny Alahady maraina teo rehefa nialana nenina tao amin’ny hopitaly Andranomadio vokatry ny loza nahazo azy. Araky ny vaovao voaray dia niala olona avy nivoaka tao anaty taxi-be izy no tsy nahatana ny familiana ny moto nentiny ka avy hatrany dia nifatratra tamin’ilay taxi-be ary tafatsofoka tao ambany kodiarana mihitsy. Teo akaikin’ny lisea André Resampa no nisehoan’ny loza ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva raha izy andeha hamonjy ny fodiany. Voalaza fa ny faritry ny lohany no tena voa mafy ary nandalo fandidiana nefa tsy nahatazona ny ainy intsony izany. Fantatra fa tsy nahatsiaro tena intsony izy taorian’ny dona mafy nahazo azy mandra-pahatapitry ny ainy. Solohajarison Raymond no tena anarany, fantatra amin’ny hoe Dj Bryan, isan’ireo sangany teo amin’ny sehatry ny filalaovana, sy fikirakirana kapila ny tenany. Mpanafana lanona samihafa  izy, ary izay no tena nahafantaran’ny maro azy raha eto Antsirabe, nandray anjara tamina fampandihizana maro, isan’izany ny THB tours, mpikamba ao amin’ny “groupe one look ny tenany.

Araky ny fandaharam-potoana, dia andrasana ao amin’ny tranom-pokonolona ny nofomangatsiakany, anio talata tontolo andro ary hapetraka ao amin’ny fasan-drazany ny Alarobia.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici