Tsy iza akory i Gobline fa jiolahy rain-dahiny, tompon’antoka tamina fanafihana mitam-basy maro nifanesy teto Antsrabe raha ny nambaran’ny pôlisy.
Rakotomalala Olivier no tena anarany ary efa nandefasana « avis de recherche » ity jiolahy ity fotoana maro lasa izay raha ny nambaran’ny « Commissaire divisionnaire » Talily Damy. Ny alarobia 23 aprily, tokony ho tamin’ny valo ora alina rehefa fantatra fa eny Atsinana’Ivohitra ity jiolahy ity no mipetraka, nidina teny ny pôlisy nikasa hisambotra azy. Teo am-pisamborana azy anefa raha ny fanazavana hatrany dia nikasa hamaly i Gobline, saika hitifitra ny mpitandro filaminana kinanjo ny balan’ny pôlisy no tonga aloha. Voatifitra teo amin’ny lohany izy ary maty teo no ho eo. Tratra teny aminy ny basy P.A iray fampiasany miaraka amina bala roa 9mm mbola tsy nipoaka. Anisan’ireo jiolahy, mpanao fanafihana mitam-basy matetika teto Antsirabe ity voatifitra ity, ary nambaran’ ny polisy fa tsy mitsisy izy ary sahy mitifitra avy hatrany. Tompon’antoka tamina fanafihana in-dimy misesy niseho teto Antsirabe i Gobline. Nomarihan’ny polisy fa tsy mahafaly azy ireo akory ny mitifitra mahafaty jiolahy tahaka izao, saingy rehefa hita fa hamono pôlisy kosa ireo jiolahy miaraka amin’ny fitaovana mahery vaika dia tsy maintsy mandray fepetra sahaza izany izy ireo. Raha tsiahivina mantsy dia vao tsy ela akory izay no maty voatifitra ihany koa i Liva Banga, izay voalaza fa namana akaikin’i Gobline iray tendro aminy, amina fanafihana maro.
Mbola karohina kosa ny naman’izy roa lahy maty ireo, izay mbola mirenireny manohy ny asa ratsiny amin’izao fotoana.
Andry N.