- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Maty voatifitry ny pôlisy le Baroda, jiolahy raindahiny

Antsirabe : Maty voatifitry ny pôlisy le Baroda, jiolahy raindahiny

Jiolahy raindahiny antsoina hoe le Baroda  no lavon’ny balan’ny pôlisy teto Antsirabe, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity, bala telo no niantefa teny amin’ny vatany.
Efa volana maromaro no narahi-maso akaiky ity jiolahy maty voatifitra ity, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy. Tao Betafo izy no nipetraka rehefa avy namita ny saziny tany am-ponja. Raha ny fanazavana  mantsy dia mpamerin-kelokoa ity jiolahy ity ary efa niditra am-ponja matetika, ary efa avy eny Tsiafahy . Herinandro teo izao izy no narahi-maso akaiky, ka teo am-panomanana fanafihana izy izao lavo izao. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nifanenjahan’ny pôlisy tao Andranovisy  le Baroda sy ny namany roa lahy. Nifanena  tamin’ny pôlisy nanao akanjo sivily le Baroda ary nikasa hanindrona Sabatra azy. Niaro tena ny pôlisy ka voatery nitifitra. Ireo namany roa lahy kosa tafaporitsaka. Nambaran’ny “commissaire central” Raholisoa Patrick  fa nanao vava le Baroda talohan’izao nahafaty azy izao, nilaza fa tsy maintsy hamono pôlisy iray.
Fantatra fa vao avy nanendaka teo Andranomaimbo le Baroda sy ny namany, vao tsy ela akory izay, ary voarohirohy amina resaka famakian-trano nisesisy tao Antsenakely. Miisa efatra kosa ny didy mampaka azy.  Araka ny fanazavana hatrany dia naman’ilay jiolahy antsoina hoe le Gena, maty voatifitra koa, le Baroda. Le Gena dia vao roa volana izay no nahavoatifitra azy, tao Andranovisy ihany koa. Samy any am-ponja ny vadin’izy roa lahy ireo, fa mpiray tsikombakomba sy mpivarotra ny entana halatra azony.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici