Ledah no anarany 27 taona ny lehilahy,voalaza fa lehibeana-jiolahy teto Antsirabe izy ity, maty voatifitry ny polisy omaly izy nandritra ny fifanenjahana hisambotra azy.
Nisehoana fanafihanan-jiolahy mitam-piadiana matetika teto Antsirabe fotoana maro lasa izay. Nitohy hatrany izany na dia efa nisy aza ireo voasambotra. Isan’ny faritra tena isehoan’ny fanafihana ny eny Ambavahadimangatsiaka, Mahazina sy Sahatsio. Ny sasany tamin’ireo voasambotra no nahafantarana ny tena atitoha mikotritra ity asa fanafihana mitam-piadiana ity raha ny fampitam-baovao azo. Efa ela ihany no nikarohana an’ Ledah ity hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana ka rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa eny Amboronomby no mipetraka ity jiolahy rain-dahany ity. Nitontonan’ny polisy tampoka teny ity jiolahy ity omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 4 ora teo ho eo. Efa fantatra rahateo ny trano niafenany, Vao nahita ny polisy anefa ity tovolahy ity, dia niezaka ny nitsoaka avy hatrany, raikitra ny fifanenjehana, ka nandritra izany no nikasa ny hamaly sy nitifitra ny polisy izy kinajo ny balan’ny polisy no tonga mialoha raha ny fanazavana hatrany. Efa nampitandrina ihany ny polisy alohan’ny hitifirana saingy nanao beloha ranamana ka dia izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Tratra teny aminy ny basy poleta vita gasy iray, miaraka amina bala maromaro sy sabatra lava lela.
Naterina ao amin’ny tranom-paty ny razana miandry ny hakan’ny fianakavianay azy.
Andry N.