- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Maty votifitry ny polisy i Liva Banga

Antsirabe : Maty votifitry ny polisy i Liva Banga

Jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra sy asa fanendahana no fantatra fa maty voatifitry ny polisy teny Ivohitra Antsirabe, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Efa fotoana ela tokoa no nikarohan’ny mpitandro filaminana an’i Liva Banga. Nahay niery hatrany anefa izy, hoy ny vaovao, rehefa avy manao ny asa ratsiny. Nahazo vaovao ny polisy tany an-toerana fa eny Ivohitra izy no monina. Nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Hita tao amin’ilay trano voalaza tokoa ny anao lahy. Raha nahita an’ireo mpitandro filaminana izy dia voalaza fa nanao fihetsika hafahafa. Efa nampitandrina azy anefa ireo polisy. Tsy nanaraka izay nasaina nataony anefa ity jiolahy ity. Avy hatrany dia nirefotra ny basy ka voa teo amin’ny ambavafony ilay mpangalatra. Naratra mafy tokoa izy vokatr’izany. Niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaly ny rehetra. Tsy tonga tany anefa dia tapitra ny ainy. Talohan’izany, nosavaina izy ka hita tao anaty akanjony ny basy vita gasy iray niaraka tamina bala roa. Heverin’ny maro fa saika hamoaka io basy io izy tamin’ny fotoana nampitandreman’ny polisy azy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser