- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Miaramila nisoloky teny amin’ny kioska

Antsirabe : Miaramila nisoloky teny amin’ny kioska

Efa fomba fanaon’ireo mpisoloky tato ho ato ny misoloky ireny kioska mpikirakira vola ireny, maro no efa lasibatra, saingy hatreto dia olona roa no mbola nametraka fitarainana raha ny nambaran’ny polisy. Volana maro lasa no efa nalaza ity fisolokiana  vola eny amin’ny kioska amin’ny alalan’ny fandefasana na fakana vola amin’ny finday ity. Misy ireo mampiasa vola sandoka, fa misy kosa ireo fetsifetsy mitady hevitra hafa hentina hisolokiana. Toy ity tranga iray niseho teny Vafotsy ity, ny Alarobia maraina teo. Miaramila iray no voasambotra fa nisoloky tamin’ireny kioska ireny. Toy ireny mpanjifa rehetra ireny ihany ity ranamana ity, tonga teo amin’ny kioska izy ary nilaza fa hisintona vola, fa misy fianakaviany tsy salama ka hilana vola maika. Nilaza ho tsy manana kaonty anefa izy ka nindrana ny findain’ilay tompona kioska. Toy izany no fanaon’ireo mpisoloky, ampidirany ny laharan’ny findainy  io finday fampiasan’ny kioska io,  ka M’Vola no ataony anarany. Andefasany soratra maro sosona (sms) haingana ilay finday  avy eo milaza fa naharay vola ny tompon’ny kioska, hafatra maro sosona mitovy amin’ireny tena izy ireny milaza fa nisy vola voaray. Efa mailo anefa ireny mpiasa amin’ny kioska ireny ka raha vao nanao izay ity miaramila ity, dia nandefa hafatra miafina tamin’ireo namany izy. Ireto farany no nitondra mpitandro filaminana teo amin’io toerana io ka rehefa nohamarinina, dia nanao izay fomba izay tokoa ity miaramila ity. Nilaza ho maika mantsy izy ary nasainy nandoa  vola haingana ilay tompona kioska. Ny mpitandro filaminana anefa no tonga mialoha ka noraisim-potsiny ranamana. Ny zandary no nandray an-tànana ny mahakasika ity raharaha nahavoampanga miaramila ity ka andrasana ny  ho vokatry ny fanadihadiana.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici