- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Miaramila zazavavao namono tena

Antsirabe : Miaramila zazavavao namono tena

Mbola hitan’ny ireo nanatri-maso nivavaka aloha izy talohan’ny nitsambikinany avy eny ambony tamboho ho any ambanin’ity fiarabe nandalo teo anoloany. Maty tsy tra-drano ity farany, noho ny ratra nahazo azy.

Miaramila zazavao, tokony ho 22 taona, no namoy ny ainy, tao Vatofotsy Antsirabe, rehefa nitsoraka tao ambany fiarabe, mpitatitra solika avy any Tsaroloha, omaly tolakandro. Tsy nisy nanampo ny zava-niseho ny rehetra teo amin’ny manodidina, eny fa na ireo namany aza tamin’io fotoana. Ny somary nahagaga ny olona fotsiny, hoy hatrany ny angom-baovao azo, dia izy niakatra teo ambonin’ilay tamboho. Nanakambana ny tanany ary niandry tsara ny fidiran’ilay fiarabe avy any. Tao anatin’ny indray mipi-maso izany zavatra rehetra izany no niseho, tsy nisy afa-namonjy akory. Voadona ary voatetin’ny kodiarana ny lohany. Niezaka nanao ny famonjena ihany ireo nahita, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana, tonga haingana teny an-toerana, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy.

Raha ny zava-nisy, hoy hatrany ny filazan’ireo nanatri-maso, dia tena famonoan-tena ankitsirano no nataon’ity tovolahy ity. Araka ny angom-baovao, tetsy sy teroa mantsy dia toa hoe manana olana teo amin’ny ray aman-dreniny ny lehilahy, izay nanery azy hanohy hatrany ny fiofanana ara-miaramila. Voalaza anefa fa efa tsy dia salama intsony izy tao anatin’izany ary nikasa ny hitsoaka an-daharana ka tsy avelan’iretsy farany. Antony izay heverin’ireo teny an-toerana fa anton’izao famonoan-tena izao. Mbola vinavina ihany anefa fa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany no hahafantarana ny tena zava-nisy marina. Ny zandary any an-toerana moa no fantatra fa mandray an-tanana izany.

m.L / Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici