- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mikatso tanteraka ny sampan-draharahan’ny hetra

Antsirabe : Mikatso tanteraka ny sampan-draharahan’ny hetra

Efa ho iray volana mehery  izao no nisian’ny fitokanana, teo anivon’ny sampan-draharahan’ny hetra eto Antsirabe. Raha toa ka nisy “service minimum” ireo ivon-ketra sasany  teo aloha, dia fantatra fa nikatona tanteraka ny birao rehetra nanomboka omaly Alarobia 13 jona. Izany dia fanehoana ny firaisan-kinan’ny mpiasan’ny hetra eto Maadagasikara, satria raha ny fanazavana dia manerana ny Nosy izao fitokonana izao. Diabe namakivaky ny tanàna niaraka tamin’ny sorabaventy no nanombohana ny hetsika, omaly. Isan’ny takiana amin’ity tolona ity ny famerenana ny andraikitry ny mpiasan’ny hetra ; izay nomena ny orinasa Ametis, fifanarahana izay natao mangigina. Ankoatra izay ny fanoherana ny fanafoanana ny sampan-draharahan’ny hetra eto Madagasikara. Araka ny fantatra mantsy dia homena hotantanan’ny tsy miankina ity sampandraharaha ity. Toherin’ireo mpiasan’ny hetra marindrano tanteraka ity fikasan’ny fanjakana ity ka izany no mahatonga izao fitokonana lavareny manerana ny Nosy izao. Milaza ho tsy mahafantatra ny zava-misy ireo “Staff” ao amin’ny sampan-draharaha, raha ny fanazavanan’ireo sendikà, satria efa nisy fandalovan’izy ireo teto Antsirabe, ny hany nambarany dia afaka mametraka fitoriana ny mpiasa. Mangataka amin’ny minisitra misahana azy ireo ny mpiasa mba handray ireo delegasiona avy amin’ny  sendikà hifampiresaka, fa raha toa ka hanidy varavarana amin’izy ireo ny minisitra, dia ny fialany no takian’ny mpiasa.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici