- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Miparitaka ny “tract” fa hanafika ny jiolahy

Antsirabe : Miparitaka ny “tract” fa hanafika ny jiolahy

Ankaotra ny vaky trano, fanendahana sy ny halabotry dia manaparitaka taratasy indray izao ny jiolahy fa hanafika. Isan’ny nahazo ity taratasy milaza sy mampiomana ity ny teny amin’ny fokontany Andrefan’Ivohitra sy Tsivatrinikamo ny herinandro lasa teo. Mandry tsy lavo loha ny mponina eny amin’ity faritra ity indrindra fa ny akany iray mpitaiza ankizy sairana ao Antanikatsaka, ity toerana ity izay somary mihataka alavitra. Isan’ny nahazo ilay taratasy mantsy ity akany ity ka manao antso avy amin’ny tompon’andraikitra. Voatery naka mpitandro filaminana manokana ny akany hiantoka ny fiarovana azy saingy tsy mahasakana ny tahotra sy tebiteny izany hoy ny tompon’andraikitra sy mpandraharaha eny amin’ny manodidina. Tsy azo tsinotsinoavina ny tranga toy izao raha ny fanazavana hoy ny tompon’andraikitra mahefa eto Antsirabe. Nambaran’ny prefet an’Antsirabe fa hamafisina ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana manarena ny fokontany rehetra. Ho entitra ny fisavana karapanondro sy ny fanakatonana ireo bara mivoha amin’ny alina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici