Sesilany ny fanafihan-jiolahy tamin’ireo fokontany sasantsasany teto Antsirabe. Saika ireo fokontany somary mihataka kely ny renivohitra avokoa no lasibatra. Isan’izany ny tao Sahatsio, Mahatsinjo, Ivohitra ary Ambohimanarivo ary Ambohimanga. Ankoatra ny antsy lava sy fitaovana entin’ireo jiolahy manafika dia tena fampiasan-dry zalahy ny tora-bato. Olona iray no fantatra fa voatsindrona antsy tao Ambohimalaza, nandritra ny fanafihan’ireo jiolahy. Manodidina ny folo ny isan’ireo jiolahy rehefa manafika. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny polisy taorian’io fanafihana farany io ka olona folo no efa fantatra fa voasambotra hatramin’izao ary natolotra ny fitsarana.
Andry N.