- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mirongatra ny halatra “batterie”, olona 13 voasambotra

Antsirabe : Mirongatra ny halatra “batterie”, olona 13 voasambotra

Hatramin’ny niandohan’ny volana janoary, no efa nirongatra ny halatra “batterie” ana-fiara teto Antsirabe. Tsy nijanona izany fa nitohy hatramin’izao, ka maro ireo olona tonga nametraka taratasy fitarainana sy fampandrenesana zavatra very tao amin’ny polisy. Amin’ny alina no tena itrangan’ny halatra, vakian’ireo jiolahy ny fiara ka ny  “auto radio” sy ny”batterie” no alainy. Olona isan’ireo  niharan’ny fanafihana no nahatazana tsy nahy fa mitovy tanteraka amin’ny batterie-any no nampiasana taxi-be iray teto Antsirabe. Niainga tamin’izany ny fanadihadiana, ka olona 13 no indray nosamborina nofotorana. Ny telo tamin’izy ireo no niaiky fa, tena tompon’antoka tamin’ny fandrobana fiara teto Antsirabe, ny roa kosa mpandray ny entana halatra. Nahatratra fito ny “batterie” tratra tamin’ireto jiolahy voasambotra ireto, dimy kosa ny “auto-radio” ary vata fanamafisam-peo iray. Ankoatra izay, dia mbola tratra teny ankoditry ny iray ny “blouson” an’olona  tao anaty fiara nangalarin’ireto jiolahy ireto.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser