- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Misy andian-jatovo mandroba fiara am-pandehanana

Antsirabe : Misy andian-jatovo mandroba fiara am-pandehanana

Vokatry ny lalana ratsy dia maro amin’ireo fiara mpitatitra entana no lasa lasibatry ny tontakely amin’ny fandrobana eto Antsirabe. Lalana mihazo an’Ambositra no itrangan’ity fandrobana ity ary amin’ny antoandro be nanahary.

Misy andian-jatovo maromaro manao fandrobana amin’ireo fiara tsy afaka fa voatery mandeha mora vokatry ny  lalana ratsy amin’ny  “route d’Ambositra” iny. Vary roa gony sy menaka amin’ny bidon miisa telo no efa tafavoakan’ireo tontakely teny an-dalana ny talata lasa teo . Misy ny manipy ny entana eny ambony kamiao , misy  kosa ireo maka izany eny an-dalana. Tsikaritr’ilay  nitondra ny fiara ny fihetsik’ireo tontakely. Vao nijanona ny fiara dia rifatra nitsoaka ireo mpangalatra ary navelany teo ny entana. Raikitra ny fifanenjehana ary tonga hatrany Ambohimahazo mihitsy izany, tsy namelan’ny fokonolona raha tsy azo ny iray tamin’ireo mpangalatra. Nitsambikina tao amin’ny fefin’olona ny tovolahy kely iray mpangalatra ka noraisim-potsiny tao.

Niharan’ny daroka sy vono avy hatrany ity farany, soa aloha fa tsy notaperin’ny fokonolona ny ainy fa naterina tao amin’ny polisy rehefa naratra mafy. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici