Lasibatry ny jiolahy indray ny lalam-by eto Antsirabe, efa nanomboka tamin’ny iray vola lasa izany ary mbola mitohy ihany ankehitriny. Tsy dia tranga mpiseho eto Antsirabe ny hala-by, indrindra fa amin’ny fotodrafitrasa toy itony, saingy efa mitatra ny toetsain’ireo jiolahy. Asa ! noho ny tsy fisiana angamba ka dia ny lalamby indray no lasibatra. Mahatratra 12 metatra eo no efa banga tamin’ny lalamby ao Ambohimanarivo, raha ny fantatra. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra izany ka nampandre haingana tany amin’ny tompon’andraikitra. Nidina teny ifotony ny fokontany nijery ny zava-nisy ka hita fa nisy nangalatra tokoa ny ampahany tamin’ny lalamby. Mbola nisy ampahany tamin’ny vy tsy voahongotra tsara ka navelan’ireo olon-dratsy teo amin’ny toerany ihany. Nihevitra ny fokonolona fa mety mbola hiverina ireo jiolahy haka io ampahany sisa tavela io ka nanao fiambenana, saingy tsy nisy vokany izany. Efa nisy ny tatitra nomena ny tompon’andraikitry ny orinasa Madarail ka miandry izay fepetra horaisina ny fokonolona. Mampalahelo ny zava-mitranga, indrindra raha tsy misy ny fepetra raisina haingana. Ny lalam-by izay namela tantara tsy azo fafana, indrindra fa ny namoizana ain’ny Malagasy maro tamin’ny fananganana azy.
Andry N.