- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mompera sandoka nisoloky Ar 15 tapitrisa, voasambotra

Antsirabe : Mompera sandoka nisoloky Ar 15 tapitrisa, voasambotra

Enin-dahy mpisoloky gaigilahy mody nitonona ho mompera sy frera no voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohibary Sambaina Antsirabe II ny herinandro iny. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia mpamongady faikam-boanjo iray no lasibatry ny fisolokiana. Naka faikam-boanjo avy nakana menaka nitentina 15 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy ary nampiasa fiara 4×4 sy fiarabe iray nofaina mihitsy nitaterana ny entana. Samy tsy nisy nandoavana vola anefa ireo ary tsy nitranga intsony ireo mpisoloky taorian’ny fotoana nifanarahana, ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ireo niharan’ny fisolokiana. Nandeha avy hatrany ny fikarohana taorian’izay. Jiolahy iray no tratra. Niainga avy amin’io indray no nahatrarana ireo namany ambiny. Samy niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy mpisoloky ireto tamin’ny famotorana tsy maintsy natao azy ireo.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser