- Publicité SW45 -
mercredi, février 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpamaky trano 8 voasambotra, 2 tratra ambodiomby

Antsirabe : Mpamaky trano 8 voasambotra, 2 tratra ambodiomby

Ravan’ny mpitandro filaminana indray ny andian-jiolahy mpamaky trano  teto Antsirabe. Valo mianadahy  no voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro lasa teo.

Tato ho ato, saika ho isan-kerinandro, dia nahitam-bokatra hatrany ny asan’ny mpitandro filaminana. Nirongatra izay tsy izy mantsy  ny vaky trano teto Antsirabe, indrindra hatramin’ny niandohan’ny volana febroary lasa teo. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny fokontany Amboronomby sy Atsinanan’Ivohitra. Olona tsara sitra sitra-po teny an-toerana no nampandre ny polisy fa misy mpamaky trano fantatry ny olona mipetraka  eny Amboronomby eny, izany  hoe tondro molotra avy tamin’ny mpiara-monina ihany. Tonga nanao ny fanadihadihana teny an-toerana ny polisy, telo no voasambotra ka vehivavy ny iray. Nilaza ny teo anivon’ny polisy fa niaiky ny heloka vitany izy telo ireto ary nanoro ny namany hafa  izay mbola karohina ankehitriny. Volaza mantsy fa misy tambajotra mihitsy ity andian-jiolahy ity. Ankoatra izay, dimy ihany koa ny voasambotra teny Atsinan’Ivohitra, tanàna  tsy dia mifanalavitra loatra amin’ilay voalaza etsy ambony. Roa amin’izy ireo no mpamaky trano izay tratra ambodiomby nitatitra ny entany avy nangalarina, amin’ny andro antoandro be nanahary ka norasim-potsiny. Ny telo  mpividy entana halatra. Marihina moa fa mbola tratra tao amin’ny fonenan’izy ireto ny entana maro, toy ny fahita lavitra, solosaina, « lecteur », kojakojan-dakozia isan-karazany sns… Fantatra nandritra ny fanadihadihana nataon’ny polisy fa miisa fito ny trano vaky nahazoana ireo entana ireo ka nisy tamin’ireo tompon’ny entana no efa naka ny azy. Mbola misy naman’ireto voasambotra ireto karohina ankehitriny, torak’izay ihany koa, entana  mbola maro no tadiavina.

Natolotra ny Fampanoavana ny sabotsy teo ireto andian-jiolahy sy andian-jiovavy voasambotra ireto.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser